Fambolen-kazo 2025

WhatsApp Image 2025-05-30 à 14.49.32_38dc6db7
MADAGASIKARA RAKOTR’ALA NO TANJONA 🇲🇬
📌 31 Janoary 2025 :
Fokontany Ivoara, Kaomina Masindray, Distrikan’Antananarivo Avaradrano.
🔆 Nanome voninahitra sy nitarika ny fotoana ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo , notronin’i Solombavam-bahoakan’i Madagasikara voafidy tao Antananarivo Avaradrano, ny Ben’ny Tananan’ny Masindray ny mpiasan’ny fahasalamana maro ary ireo solontenan’ny mpiara-miombonantoka.
🌳 Izao hetsika izao dia tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana mavitrika ny Politika ankapoben’ny Fanjakana ny amin’ny fikajiana sy fampiroboroboana ny Tontolo iainana ho lovain-jafy tokoa.
 
Nandray anjara mavitrika tamin’izany ny mpiasan’ny fahasalamana eto anivon’ny hopitaly CHU Andohatapenaka
 
” Ny Ala no antoky ny Rano sy Angovo ”

Commentaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *